WordPress database error: [Disk full (/tmp/#sql-temptable-3cb-f4b79-452c.MAI); waiting for someone to free some space... (errno: 28 "No space left on device")]
SHOW FULL COLUMNS FROM `db_options`

Erreur de la base de données WordPress : [Disk full (/tmp/#sql-temptable-3cb-f4b79-452d.MAI); waiting for someone to free some space... (errno: 28 "No space left on device")]
SHOW FULL COLUMNS FROM `db_options`

Ambodin’Isotry : Tsy menatry ny mibeda sy midaroka ny mpanendaka -
- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025

Erreur de la base de données WordPress : [Disk full (/tmp/#sql-temptable-3cb-f4b79-452f.MAI); waiting for someone to free some space... (errno: 28 "No space left on device")]
SHOW FULL COLUMNS FROM `db_postmeta`

AccueilFaits-DiversAmbodin’Isotry : Tsy menatry ny mibeda sy midaroka ny mpanendaka

Ambodin’Isotry : Tsy menatry ny mibeda sy midaroka ny mpanendaka

Lehilahy iray nandalo teny amin’iny faritra Ambodin’Isotry iny no lasibatry ny mpanendaka. Avy hatrany dia nobedain’izy ireo ity tovolahy ity ary nodarohiny. Ny namany hafa kosa nisintony ny kitapony. Ny alahady maraina tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany maraina teo no nitrangan’izany teny amin’ny Vorodamba Ambodin’Isotry araka ny tati-baovao avy amin’ny pôlisy. « Na dia efa niezaka niantso vonjy aza izy dia tsy nisy niraharaha ka dia lasan’ireo jiolahy ny kitapo teny aminy » hoy hatrany ny vaovao. Amin’ny toe-javatra tahak’itony dia maromaro ireo mpanendaka ka ny hafa mijerijery ny manodidina ary ny hafa manao ny asa ratsy. Hany ka tsy dia sahy loatra manatona sy mamonjy ny olona, tahotry ny mety hifotoeran’ireo namany. Voalaza fa nisy vola teo amin’ny roa hetsy ariary tao anatin’ilay kitapo izay lasan’ireo mpanendaka tamin’io fotoana io, niaraka tamina akanjo vitsivitsy. Nitsoaka avy hatrany moa ireo mpanao ratsy rehefa avy nahazo izay nilainy. Ilay lasibatra kosa dia nanatona avy hatrany ny pôlisy niasa teny amin’ny manodidina. Nandray ny andraikiny ity farany ary niverina teny an-toerana. « Mbola hita tsy lavitra teo ny  iray tamin’ireo nanendaka azy ary dia nosamborina avy hatrany ity farany ». Hatreto kosa dia mbola karohina ilay namany izay nitondra ilay kitapo nisy vola. Fa tsy mitsahatra mamorona paik’ady hafa foana ireo mpanendaka rehefa hanao ny asa ratsiny. Toy ity zava-nitranga teny amin’iny faritra manodidina iny hatrany, teny 67ha. Mody manao mamo ingahirainy, mankeo am-povoan’arabe ary mibahana ilay fiara izay efa kendreny. Tampoka teo anefa dia manatona, namoha varavarana ary niezaka nisintona ny pôketran’ilay ramatoa tao anaty fiara. Soa ihany fa taitra tamin’izay ilay mpamily ary niainga sy nandeha mafy ka tsy afaka nanao ny asa ratsiny ilay mpanendaka. Mila mailo tokoa fa tsy kely lalana na oviana na oviana ireo mpanao ratsy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

Erreur de la base de données WordPress : [Disk full (/tmp/#sql-temptable-3cb-f4b79-4531.MAI); waiting for someone to free some space... (errno: 28 "No space left on device")]
SHOW FULL COLUMNS FROM `db_options`