- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodin’Isotry : Voasambotra ireo roa lahy mpanedaka eny amin’ny manodoididna ny EPP

Ambodin’Isotry : Voasambotra ireo roa lahy mpanedaka eny amin’ny manodoididna ny EPP

Dingana iray lehibe ho amin’ny fampandriana fahalemana eny amin’ny faritra Ambodin’Isotry sy ny manodidina iny indray no vitan’ireo polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faha-4 etsy Isotry, ny 19 janaory 2022.  Tovolahy anankiroa, 19 sy 21 taona, izay fantatra fa raindahiny amin’ny fanendahana ireo mpandalo eny amin’ny manodidina ny faritry ny EPP Ambodin’Isotry iny no voasambotry ny polisy avy ao amin’ity kaomisaria ity, ny 19 janoary 2022  tokony tamin’ny 10 ora maraina. Mpitandro ny filaminana nanao fisafoana nandeha an-tongotra manao ny asa fanaon’izy ireo an-davanandro no nahatsikaritra azy ireso nanendaka mpiantsena teny an-toerana. Nandray andraikitra avy hatrany ireo mpitandro filaminana niroso tamin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy. Noho ny fahakingana sy fahaza-manaon’ireo mpitadro filaminna dia voasambotra tsy lavitra akory ny toerana nanaovany ny asa-ratsiny ireo tontakely. Nentina avy hatrany teny amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faha-4 eny Isotry moa ireo jiolahy ireo. Tao aorian’ny fanadihadiana azy ireo dia nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora izy ireo rahefa natolotra ny Fampanoavana omaly.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici