- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodirano-Ampitatafika : Zaza 8 taona voatsindrona antsy

Ambodirano-Ampitatafika : Zaza 8 taona voatsindrona antsy

Zava-doza no niseho teny Ambodirano eny Atsimondrano, omaly, zaza iray no voatsindrona antsy. Izany dia noho ny adiady teo amin’ny mpifanolo-bodirindrina. Tsy fantatra marina ny nahatonga ny ady fa ny vaovao no nahalalana fa niditra tao amina trano iray ny vehivavy iray. Avy hatrany dia nokendainy ilay renim-pinakaviana nitrotro zaza. Raha nahita izany ny zanak’ity farany dia niezaka nanakana. Vao valo taona izy io. Teny aminy anefa no niantefa ny antsy. Naratra vokatr’izany izy.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser