- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodirano Maevatanana : Olon-dratsy iray hafa indray matin’ny fitsaram-bahoaka

Ambodirano Maevatanana : Olon-dratsy iray hafa indray matin’ny fitsaram-bahoaka

Nihevitra ilay rangahy, fa tsy hisy sahy hanatona azy ny fokonolona, noho ny basy teny an-tanany. Tsy izany anefa no niseho fa dia matin’ny fitsaram-bahoaka teo izy. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia, nangalatra omby nifatotra teny an-tsaha ity rangahy ity, ka tratran’ny fokonolona ambodinomby teo. Tany amin’ny fokontany Ambodirano, kaominina ambanivohitra Madiromirafy, disitrikan’i Maevatanàna, no nitrangan’izany, ny alarobia heriny lasa teo, tokony ho tamin’ny 07 ora maraina. Araka ny fanazavana azo, tany an-dalàna hanatitra azy hodorana velona eny atsimon-tanàna ireo fokonolona no nitsoaka tampoka nianavaratra hanolo-batana any amin’ny biraon’ny miaramilan’ny D’as eny Madiromirafy ity lehilhy ity. Nifanenjehana izany ka rehefa tratra teo am-pelatanan’ny miaramila dia nisintoman’ireo olona marobe niala tao amin’ny birao, saingy mbola nanohitra ihany, ka io nifandona tamin’ireo mpanenjika azy io, ary niafara tamin’ny fandatsahana ny ainy mihitsy izany. Ireo miaramila kosa tsy nisy nahasahy niditra an-tseahatra sady tsy niteny vokatr’izany. Fantatra, fa tsy mponina avy ao Ambodirano sady tsy avy ao Madiromirafy akory io matin’ny fitsaram-bahoaka io, fa avy any ampitandrefan’Ikopa. Nidina tany an-toerana moa ny Zandary avy eto Maevatanàna nanao ny fizahana sy ny fanadihadiana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici