- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbodisaina « bassin-»drano Toamasina : Olona mpianaka natelin’ny rano…

Ambodisaina « bassin-»drano Toamasina : Olona mpianaka natelin’ny rano…

Nitrangana loza tao amin’ny faritra Ambodisaina « bassin-»drano iny ny faran’ny herinandro teo. Olona mpianaka samy natelin’ny rano tao an-toerana raha iny mianaka andeha hoandro iny. Raha ny fantatra dia vahiny avy any Fenerivo Atsinanana tonga eto Toamasina mba hiala sasatra kely izy ireo, ka ilay zaza valo taona, raha efa lehibe kosa ilay raim-pianakaviana. Raha ny fitantaran’ny olona nahita ny zava-nitranga dia noesorin’ilay rangahy ny akanjon-janany satria nitaraina nafana ilay zaza, ary raha nanatitra izany teny amoron-drano maina ny tenany dia tsy hitany ilay zaza vao niverina nitodika izy. Teo dia niezaka nanavotra ilay zaza tsy hitany izy ka nitsoraka tany anaty rano, saingy tany koa tsy nipoitra intsony ny tenany. Nikarohan’ny fokonolona sy mpamonjy voina ka hita ihany ny farany saingy efa tsy nisy aina intsony izy mianaka. Maro ny fanazavana heno tamin’izao tranga izao, ka isan’izany ny hoe: “rano tsy azo hitodian-damosina io rano nahafaty azy ireo ity…satria taorian’ilay rangahy nitodika no nanjavonan’ny zanany ka nanaradia nitady azy ilay ingahy dia maty ihany koa…”. Efa mikarakara ny razana ny fianakaviany ary hisy ny fitondrana izany ho any Fenerivo Atsinanana. Raha ny fanazavana voaray hatrany dia telo mianaka izy ireo no tonga teto Toamasina, saingy izy mianaka ireto no maty nandritra izany…

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici