- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmboditsiry – Ambilanibe : Nisesisesy ny fanafihan-jiolahy

Amboditsiry – Ambilanibe : Nisesisesy ny fanafihan-jiolahy

Saika isan’andro ! Mpamongady zava-pisotro iray indray no lasibatry ny asan-jiolahy omaly antoandro teny amin’iny faritra Amboditsiry iny. Tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy tamin’izany. Vola manodidina ny valo hetsy ariary teo ho eo kosa no lasan’ireo olon-dratsy. Tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro tany ho any no nanao amboletra niditra tao amin’ity toerana ity ny jiolahy telolahy. Nitondra basy ny iray tamin’izy ireo, hoy ny fanazavàna azo. Efa nisy ihany ny fepetra noraisin’ny tompon’ity mpamongady ity ny amin’ny tsy fampidirana olona ankoatra ireo efa fantatra tao amin’io tranombarotra io. Sendra nisokatra anefa ny vavahady tamin’izay ka nanararaotra niditra ireto olon-dratsy ary avy hatrany dia nanambana tamin’ny basy sy naka izay vola rehetra tao amin’ilay fivarotana. Tamin’io fotoana io anefa no sendra henon’ny mpiambina izay teo akaiky teo ilay fanafihana ka niditra an-tsehatra ity farany. Efa teo am-pamahanana basy ireto olon-dratsy, hitifitra an’ity olona niseho ho namaly azy ireo ity no tonga ny pôlisy misahana iny faritra iny. Nangoron-damba toy ny tsy teo izy rehetra, ary rafitra nitsoaka. Tao anatin’izay fahamehana izay ihany koa no latsaka ny fitoeram-balan’ny basin’ny iray tamin’ireo olon-dratsy, izay soa ihany ka tsy nahafahan’izy ireo nitifitra. Niezaka ny nanao savahao ny manodidina moa ireo pôlisy saingy tsy hita tany nanjavonana ireto mpanafika ireto. Fa mbola resaka fanafihana ihany saingy tsy tontosa kosa no nitranga teny Ambilanibe, Andavamamba omaly antoandro hatrany. Lehilahy roa no tazan’ny fokonolona nihaodihaody teny an-toerana, izay somary mampiahiahy ihany. Niantso avy hatrany ny pôlisy ny fokonolona. Vao nahatazana ireo pôlisy anefa ireo roalahy avy hatrany dia nitsoaka. Ary tsy vitan’ny nitsoaka fe nitsoaka fotsiny fa mbola nanapoaka basy ihany koa. Niezaka nanenjika ireo mpitandro filaminana saingy tafaporitsaka ireto olon-dratsy nikasa ny hanao fanafihana ireto. Mbola mitohy moa ny fikarohana azy ireo raha ny fantatra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici