- Publicité -
mercredi, septembre 24, 2025
AccueilFaits-DiversAmboditsiry : Efa-dahy nitondra basy nanafika tsena roa, olona iray naratra

Amboditsiry : Efa-dahy nitondra basy nanafika tsena roa, olona iray naratra

Nisehoana fanafihan-jiolahy, teny amin’ny faritra Amboditsiry, ny harivan’ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 7 ora mahery. Bandy efatra nitondra basy sy antsy no voalaza ho  nanao ny fandrobana. Fivarotana roa no lasibatra tamin’izany. Tao amin’ilay voalohany, niditra ny bandy iray fa ny sasany niandry tety ivelany. Tsy nahoan-dry zalahy ireo mpividy voalaza fa mbola maro. Raha nahita ny fihetsiny ny mpivarotra, dia lasa nandositra niantso vonjy. Tsy nisalasala ilay mpangalatra naka ny vola maty indray andro. Raha vao nahazo tao izy ireo dia nifindra fivarotana iray hafa. Dia saika sahala an’ilay teo aloha ihany koa ny zavatra niseho. Ny vola tao amin’ny fivarotana no nalainy. Rehefa azon’ireo olon-dratsy izany, dia lasa nandositra izy ireo. Tsy nisy nisaron-tava ireto mpandroba ireto. Nahamarika kosa anefa ny nahita fa, manao kasikety izy ireo ary izany no nanakonany ny endriny. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa olona iray no maratra voan’ny antsy tamin’ity fanafihana ity.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser