- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmboditsiry : Halatra sprinter, telolahy voasambotry ny pôlisy

Amboditsiry : Halatra sprinter, telolahy voasambotry ny pôlisy

Tsy kely làlana tokoa ny ratsy ary efa drafitra maty paika avokoa no entin-dry zalahy ireo manao ny asa ratsiny. Toy ity nitranga tetsy Amboditsiry ity, ny alin’ny alahady  teo. Fiara iray, marika Sprinter, miasa ao amin’ny zotra 194 no nangalarina bandy telolahy. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny pôlisy misahana ny heloka bevava, dia voarohirohy tamin’ity resaka ity ny telolahy, ny mpamily sy ny mpanampy azy niaraka tamin’ny mpiambina ilay « parking » nitoeran’ilay fiara very. Raha ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitandro filaminana, dia ny alahady teo no nahavery ity fiara ity. Taorian’ny nanateran’ireo mpitondra azy tao amin’ny « parking » fijanonany tao amin’ny Epp Amboditsiry, dia nisy tovolahy nilaza ho iraky ny tompon’ny fiara haka azy io ny alina. Tsy nisalasala ary tsy nanadihady akory ilay mpiambina, fa avy hatrany dia namoha ny vavahady sy namela ilay fiara hivoaka. Ny marainan’io, izany hoe ny alatsinainy no tonga ireo mpitondra azy ary gaga tsy nahita ilay fiara teo intsony. Nametraka fitoriana avy hatrany teny amin’ireo pôlisy ny tompon’ny fiara ary nandeha avy hatrany ny fikarohana sy ny fanadihadiana. Ny alarobia maraina  teo no hita, niraikitra tao anaty fotaka teny Ambohitrimanjaka ilay « sprinter » very, tsy nisy olona intsony tao anatiny. Voamarika kosa tamin’izay fotoana izay fa tsy nisy nohetsehina ny tao anatiny, ankoatra ny fanamafisam-peo izay nentin’ireo olon-dratsy. Raha ny fanazavana hatrany, dia herinandro talohan’io no hadinon’ny mpamily tao anatin’ity fiara ity ny lakileny, raha nijanona teny amin’ny tobim-piantsonany teny Andrainarivo ny fiara, izay tsy fantatra hatreto aloha na tena hadino na natao fanahy iniana nohadinoina mihitsy. Tao anatin’izany no nahatonga ireo mpanao fanadihadiana, hieritreritra avy hatrany ny firaisan’ny mpamily sy ny mpanampy azy ho mpiray tsikombakomba tamin’ity halatra ity. Manginy fotsiny ny fihetsik’ilay mpiambina, izay namela malalaka ilay fiara hivoaka amin’ny andro alina. Ireto telolahy voalaza ireto araka izany no voarohirohy aloha. Nanaovana famotorana sy natolotra nohenoin’ny mpitsara mpanao famotorana omaly. Inoana fa mety mbola hitohy ny fanadihadiana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser