- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodivona Ankadifotsy : Rangahy 50 taona, hita faty vao maraina

Ambodivona Ankadifotsy : Rangahy 50 taona, hita faty vao maraina

Omaly maraina , tokony ho tamin’ny 5 ora teo, no nisy nahita ny fatin’ity rangahy ity. Araka ny loharanom-baovao voaray dia voalaza fa rangahy iray , sahabo eo amin’ny 50 taona eo, no hitan’ny fokonolona nitsirara , teny amin’iny faritra Ambodivona Ankadifotsy iny. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa olona handeha haka entana vao maraina no nahita an’ity razana ity. Rehefa             nojerena ny vatan’ity rangahy ity dia voamarina fa efa tsy avotra intsony. Araka ny nambaran’ireo nanatri-maso teny an-toerana dia nanambara izy ireo fa mety ho efa maty nandritra ny alina tontolo ity rangahy ity, saingy ny maraina kosa vao nisy nahita. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa efa goaka tanteraka ny tarehin’ity rangahy ity, rehafa nojerena ny tavany. Nisy ihany koa ny nanambara fa tsy afaka mitsoatra toy ireny olona ireny intsony ny razana. Nahitana fivontosana  ny teo amin’ny lamosin’ity rangahy namoy ny ainy ity. Mbola nahitana kiraro moa teny an-tongony ary mbola niankajo soa amn-tsara ihany koa izy. Saingy voalaza fa maloto avokoa ireo ankajo fitafiny ireo. Nisy moa ny polisy no efa tonga teny an-toerana nanao ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity , ary voalaza ihany koa fa efa tonga teny ihany koa ny teo anivon’ny BMH ,nikarakara ny razana ny antoandro. Voalaza fa efa any an-tanan’ny fianakaviana ny razana amin’izao fotoana izao.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici