Amin’ny fotoana mahabetsaka ireo mpiandry bus na ilay hoe « heure de pointe » indray ireo tontakely no manao ny asa ratsiny. Ireo mpiandry fiara fitanteram-bahoaka no ataon’izy ireo lasibatra amin’izany.
Na ilay vao maraim-be iny, na ilay efa hariva. Tsy tahotra tsy henatra ireo mpanendaka, eny fa na dia hitan’izy ireo aza fa be olona, mantantaeraka ny asa ratsiny. Toy ny nahazo raim-pianakaviana iray, izay efa somary nahazo taona tetsy amin’ny fiandrasana « bus », tetsy Andravoahangy. Efa-dahy izy ireo no avy hatrany dia nanendaka ity rangahy ity. Lasa tamin’io ny vola sy ny finday. Raha vao nahavita ny asa ratsiny izy ireo dia nitsoaka avy hatrany nihazo iny lalan-kely mankany Ambodivona iny. Niantso vonjy avy hatrany anefa ilay lasibatra ary soa ihany koa fa nisy pôlisy tsy lavitra teo nanenjika azy ireo. Tsy lasa lavitra dia voasambotra ny iray raha tafatsoaka kosa ny namany hafa. Torak’izany ihany kosa no nitranga tetsy Ankadindramamy, ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ity indray mitoraka ity indray dia vehivavy no nataon’izy ireo lasibatra. Soa ihany koa fa nandray ny andraikiny avy hatrany ny pôlisy nanao fisafoana tsy lavitra teo ary dia tra-tehaka ny roa. Marihana fa mbola tsy ampy taona ny iray tamin’izy ireo.
Tsy vitsy tokoa ny olona no mikaikaika amin’ny afitsok’ireo tontakely eny amin’ireny toerana fiandrasana fiara fitanteram-bahoaka ireny. Misy ny sasany amin’ireo olon-dratsy aza no avy hatrany dia mandrahona ireo mpiandry « bus » amin’ny fitaovam-piadiana, araka ny angom-baovao azo, maka ny vola any amin’izy ireo ary midaroka izay tsy manana. Mandeha mitsoaka avy hatrany izy ireo rehefa avy mahavita ny asa ratsiny.
m.L