- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodivona : Efitrano lehibe ana kaoperativa roa kilan’ny afo

Ambodivona : Efitrano lehibe ana kaoperativa roa kilan’ny afo

Efitrano lehibe iray fanovana fivoriana ho an’ny kaoperativam-pitaterana roa samy matanjaka no fantatra fa nirehitra, omaly folakandro tokony ho tamin’ny 2 ora mahery kely tany , teny Ambodivona. Ny loharanom-baovao voaray teny an-toerana no nahafantarana, fa tsy fetezana teo amin’ny fitarihana herinaratra no nahatonga ny loza. Raha vao niseho ny loza, dia tonga teny an-toerana ny mpamono afo eto Andrenivohitra, fiarabe miisa fito. Nitohana tanteraka Ambodivona, omaly ary tsy  nivaha izany raha tsy afaka ora roa teo ho eo. Momba ilay efitra nirehitra, voalazan’ny vaovao fa simba tanteraka ilay izy.  Tsy nisy ny olona naratra tamin’ity fahamaizana ity.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici