Tsy vao izao , fa efa im-betsaka ihany ireo mpandeha taxi-brousse, tsy maintsy haka fiara eny Ambodivona no mikaikaika fatratra amin’ny ataon’ireo mpanendaka eny an-toerana. Indrindra fa rehefa amin’ny fotoana alohan’ny hiaingan’ny taxi-brousse na ilay vao tonga iny. Mazàna mantsy, na hariva izany na vao maraim-be. Eo anatrehan’izany, dia nisy nanao hetsika fanaraha-maso sy fisafoana iny faritra iny ireo pôlisy tompon’andraikitra, avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo. Ny alatsinainy hariva teo, arak’ izany dia fantatra fa nisy roa lahy, ikoizana sy rain-dahiny tanteraka amin’ny fanendahana no tra-tehak’izy ireo teny Ambodivona, tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany hariva teo. Araka ny fanazavana azo avy tamin’ireto mpitandro filaminana ireto, dia efa eny amin’ity faritra iny mihitsy izy ireo no mpanao ny asa ratsiny, ary ireo olona mpivezivezy tratra hariva na miainga vao maraim-be sy ireo mpandeha amin’ny taxi-brousse no ataon’izy ireo mahita raharaha. Fantatra, fa efa mpamerin-keloka ihany koa izy ireo, satria dia efa nigadra roa taona teny Antanimora , noho ity asa fanendahana ity hatrany. Efa nentina nofotorana teny amin’ny biraon’ny pôlisy moa ry zalahy ireto ary hatolotra ny fampanoavana aorian’izay.
m.L



