- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodivona : Lehilahy maty, may kila tao anaty hain-trano

Ambodivona : Lehilahy maty, may kila tao anaty hain-trano

Nitrangana hain-trano mahatsiravina teo tetsy Ambodivona. Araka ny fanazavana azo, dia trano hazo iray no nirehitra tamin’io fotoana io. Lehilahy iray kosa no fantatra fa tsy tafavoaka tamin’izany hain-trano izany ary namoy ny ainy. Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo no nitranga ity hain-trano nahafatesana olona ity. Efa nijoajoala ny afo vao taitra ny manodidina. Niezaka namono ny afo ary nifehy izany avokoa ireo fokonolona teny an-toerana. Nantsoina ihany koa ny mpamonjy voina. Tao anatin’izany kotaba maro isan-karazany izany no nahafantarana fa mbola misy olona tavela tao anatiny. Raha ny filazan’ireo mponina mantsy, dia lehilahy lehibe iray tokony ho 40 taona no mipetraka tao amin’ilay trano nirehitra, izay tsy hitan’ny rehetra nivoaka tamin’io fotoana io. Tsy nisy havana na fianakaviana izy  tao amin’ilay trano, fa mipetra-drery, izay inoana fa resin-tory nandritra ny loza ary dia voafandriky ny afo sy tafavoaka intsony. Niezaka namonjy ity farany ireo teny an-toerana, saingy indrisy fa tsy avotra intsony izy. Marihana fa vetivety ihany ny nifehezana ny afo ary tsy niitatra tamin’ireo trano teo akaiky ny fahavoazana. Taorian’ny famonoana ny afo moa no hita ny vatana mangatsiakan’ilay rangahy izay nentina avy hatrany tany amin’ny tranom-paty. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny firehetana. Loza efa ho avy sa nisy doro trano niniana natao ? Efa mandeha moa ny fanadihadian’ireo tompon’andraikitra amin’izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici