- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodivona : Lehilahy maty tao anaty taxi-brousse

Ambodivona : Lehilahy maty tao anaty taxi-brousse

Akory ny hagagan’ny olona omaly maraina raha nahita an’ity lehilahy 40 taona, tsy nihetsika intsony teo amin’ny seza nitoerany tao anaty fiara fitaterana. Rehefa nojerena akaiky dia fantatra fa efa tsy niaina intsony. Tamin’ny talata hariva no niala tany Toamasina ny fiara nitondra azy ho aty an-drenivohitra. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa efa teny an-dalana no tsy nihetsika tamin’ny seza nipetrahany ity lehilahy ity. Rehefa tetsy amin’ny fiantsonan’ny taxi-brosse moa, tamin’ny fizahana natao, dia toa hoe nijanona ny fony ary izany angamba no nitarika ny fahafatesany. Nampandrenesina ny mpitandro filaminana miasa ao Manjakaray. Tonga nijery ny zava-nisy ry zareo. Misokatra amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana momba ity fahafatesana tampoka ity.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser