- Publicité -
dimanche, septembre 21, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodivona : Lehilahy maty teo am-piandrasana fiara

Ambodivona : Lehilahy maty teo am-piandrasana fiara

Tsy mampilaza marina ny fahafatesana. Afak’omaly tokony tamin’ny 2 ora tolakandro teo no nitrangan’ity loza iray ity teny amin’iny faritra Ambodivona iny. Lehilahy iray hiandry fiara ho any Tamatave no sendran’izao loza iray izao . Araka ny vaovao voaray dia tsy naninona ity lehilahy ity fa ela loatra ny fandehana ka nilaza ny haka tori-maso kely mandrampandeha.“Tsy nitaraina narary izy , tsy naninona fa handeha hatory kely aho hoy izy” hoy hatrany ny fitantaran’ny naman’ity rangahy ity izay hiara-hiainga aminy. Araka ny fitantaran’ity naman’ity hatrany dia tsy nifoha mihitsy izy na efa handeha ary ny fiara , ary tsy nofoazina ihany koa.Gaga ihany ity farany ka tsy nahatombona intsony fa namoa avy hatrany , taitra ny maro fa efa tsy niaina intsony ity rangahy ity fa maty. Fantatra fa efa nantsoina ny fianakavian’ity rangahy ity ary efa nokarakaraina kosa ny razana amin’izao.

FINARITRA RAKOTO(Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici