Tsy nisy nipika na ny iray aza ny fizotran’ny fanafihana tetsy Ambodivona. Mpivarotra kodiarana no nataon’ny jiolahy lasibatra. Telo izy ireo farafahakeliny, saingy ny roa no niditra an-tsehatra tao anatin’ilay toerana. Nitondra basy sy « barre à mine » raha araka ny voarakitry ny horonan-tsary izay nohamarinin’ny olona tao anatiny ihany koa tamin’ny firaiketana an-tsoratra. Tokony ho tamin’ny valo ora maraina, efa feno olona mivezivezy teny amin’ny arabe sy teo amin’ny manodidina no tonga nanafika ireo olon-dratsy. Niditra tao amin’ny toeram-pivarotana ary tsy taitra toa ny olona handeha hividy entana izy ireo. Navoaka ny basy nony avy teo ary nasaina navoaka ny vola tao anatin’ny « caisse ». Mitentina 12 tapitrisa ariary ny vola lasa tao raha araka ny vaovao azo. Nisy ihany koa ny finday roa izay an’ny mpiasa eo anivon’io toerana io. Raha araka ny fanazavan’ny mpiasa dia misy olom-patatr’izy ireo nanatontosa ilay fanafihana ary isan’ny ahiana ny mpiambina. Koa satria tsy nisy nipika ny sary azon’ny fitaovana mifandraika amin’izany dia tsy tokony hananosarotra ny famantarana izay tompon’antoka tamin’ity raharaha ity. Ny pôlisy siantifika rahateo efa miezaka ny manana sarin’ireo olon-dratsy hatramin’izay ary inoana fa raha halalinina ny fanadihadiana dia tsy misy mipika amin’izy ireo ny famantarana ny tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Manampy betsaka ny teknolojia amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, na izany ho an’ny olon-tsotra na koa ho an’ny mpitandro ny filaminana. Any ivelany dia isan’ny kihon-dàlana no misy ireny « caméra de surveilance » ireny ary tsy misy mipika mihitsy rehefa averina jerena ny lalana hizoran’ny olon-dratsy. Mora ho an’ny mpitandro ny filaminana avy eo ny mamatantra sy misambotra azy. Teto amintsika dia, efa nisy ihany ny andrana natao teo amin’ny boriborintany iray rehefa nisy ny fanomezana nomen’ny mpivarotra kojakoja teknolojika. Saingy tsy naharitra ela satria ny « caméra » tokony hiambina indray no lasa ambenana andro sy alina, satria tian’ny jiolahy hangalarina…
D.R