- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodivona : Mpamily naniratsira zandary, hatolotra ny fitsarana anio

Ambodivona : Mpamily naniratsira zandary, hatolotra ny fitsarana anio

Ny zoma teo no niseho ity fanompana zandary ity, teny Ambodivona toerana fiantsonan’ny  « taxi-brousse ». Tonga nanao ny asany ny mpitandro filaminana nisava ny fiara sy izay rehetra voakasik’izany ka anisany ny mpamily. Teo amin’ny toerana iray, nahamarika ny zandary fa tsy tomombana ny taratasin’ny mpamily iray, satria efa lany andro izany. Nampiantsoina  izy nefa olona hafa no voalaza fa nasainy niresaka tamin’ireo mpitandro filaminana ireo. Tsy nanaiky izany anefa ireo farany fa niandry. Tonga ihany tamin’ny farany ilay mpamily, hoy hatrany ny vaovao ary nanao vava be, nanompa mihitsy ireo zandary, hoy ny vaovao voaray. Nanao tatitra tany amin’ny lehibeny ireo niharan’ny fanompana sy ny rahom-bava. Teo no ho eo dia nandray andraikitra  ny mpitandro filaminana ka nitondra ilay mpamily tany Ankadilalana. Ny sabotsy anefa, nisy andian’olona tonga teny an-toerana nitaky ny hamoahana ilay mpamily. Tsy fantratra marina izay antony nanosika azy ireo. Re teny Ambodivona fa toa hoe « ngetroka » be hono ity mpamily ity ary nanao vava tamin’ilay mpitandro filaminana fa afaka « mamindra toerana » azy, lazainy fa « manao vinany aminy ». Teo anoloan’izany, tsy nilefitra mihitsy ireo zandary nanao ny asany fa niantso teo no ho eo ny lehibeny. Avy amin’izany no nitondrana ilay olona teny Ankadilalana ary halefa eny amin’ny Fampanoavana anio. Manaraka akaiky an’io vaovao io ny olona rehetra nahita ny fandehan-javatra teny Ambodivona, hoy hatrany ny vaovao.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser