- Publicité -
vendredi, janvier 16, 2026
AccueilFaits-DiversAmbodivona : Mpanendaka raindahiny maty voatifitry ny pôlisy

Ambodivona : Mpanendaka raindahiny maty voatifitry ny pôlisy

Handeha hanohitra ireto pôlisy hisambotra azy ingahirainy, tamin’ny alalan’ny antsy be fentiny manao ny asa ratsiny. Voatery nitiftra ny pôlisy.

Anisan’ny faritra iray tena  ikoizana amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana raha iny manodidina ny Jirama Ambodivona. Ary tsy vao izao fa efa ela, indrindra moa fa raha vao manomboka miha-maizina ny andro. Amin’izay lafiny izay indrindra, ny alin’ny alarobia lasa teo, olona iray avy nirava niasa no lasibatry ny mpanendaka teny an-toerana. Niantso vonjy avy hatrany ity farany ary namonjy teny an-toerana ny pôlisy, izay marihina fa ao anatin’ny hetsika manokana ho fametrahana ny fandriam-pahelamana eto Antananarivo sy ny manodidina. Ilay olon-dratsy handeha hitsoaka iny mihitsy no nifanena tamin’ireo mpitandro filaminana. Nanao fanamiana sivily moa ireo farany tamin’io fotoana io. Nahatsikaritra ity olona nampiahiahy ity ka handeha hisava azy avy hatrany. Teo anatrehan’ny zava-nisy anefa dia tsy nanaiky mora ilay olon-dratsy ary nikasa ny mbola hanohitra ireto mpisambotra hatrany. Navoakany avy hatrany ny fitaovam-piadiany fentiny manao ny asa ratsiny, handeha hamelezany ireto pôlisy. Nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy ihany koa araka izany ireo mpitandro filaminana ka niantefa teny amin’ity olon-dratsy ny bala, izay nandratra azy. Raha ny fampitam-baovan’ny pôlisy dia tsy tana intsony ny ainy, noho ny ratra nahazo azy. Marihana fa efa taorian’ny fitsirahana natao no nahafantarana fa isan’ireo jiolahy eny an-toerana efa malaza ratsy amin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana sy ny fanendahana eny an-toerana ity maty voatifitra ity. Azo heverina araka izany fa mety hilamindamina iny faritra taorian’izao. Nanamarika hatrany moa ny teo anivon’ny pôlisim-pirenana fa « mitohy hatrany ny ezaka hampihenàna ireo trangana tsy fandriampahalemana miseho eto an-drenivohitra. Miantso ny olom-pirenena rehetra kosa ho mailo noho ireo ratsy tsy kely lalana ary hitoroka avy hatrany ireo olon-dratsy miery any anaty fiarahamonina »

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici