- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodivona : Mpiasan’ny Viva voatsatoka antsy teo amin’ny tenda

Ambodivona : Mpiasan’ny Viva voatsatoka antsy teo amin’ny tenda

Vao maraina tokony ho tamin’ny dimy ora mahery, raha handeha hamonjy ny asa  andavan’androny ny tompon’andraikitry ny fandaharana Animajay no nisy nanatsatoka antsy. Teo anoloan’ny vavahadin’ny Tana Water Front, toerana izay misy ny fahitalavitra sy ny onjam-peon’ny Viva no nitranga ilay asaratsy. Karazany roa ny vaovao azo momba ity tranga ity. Ny voalohany dia ny hoe tsy naka na inona na inona ireo olona fa avy hatrany dia ny tendany no notsatohana antsy. Ny faharoa indray dia nisy kitapo nosintomina teny aminy. Rehefa izany dia nampiasa herisetra ireo olon-dratsy tamin’ny fangalàna azy ary nanatsatoka antsy ny tendany. Izy efa nianjera tamin’ny tany ary nisy rà no hitan’ny olona. Nampilazàna ny mpiambina teo amin’ny vavahady izay namoha izany avy hatrany. Teo no nanao izay fomba rehetra nitaterana azy teo amin’ny toeram-pitsaboana faran’izay akaiky haingana. Tao amin’ny « espace médical » no navotàna ny ainy. Raha ny vaovao azo, omaly hariva, dia avotra soa aman-tsara ny ainy ary efa afaka namonjy ny toeram-podiany. Niteraka resaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny zava-nisy, indrindra fa miasa eo anivon’ny orinasa Viva no voakasika. Vao tsy ela koa mantsy no nisy mpanolotra vaovao izay nametraka fitoriana teny anivon’ny polisy noho ny pitika grenady nahazo azy sy ny fiara izay nitondra azy. Teo dia fifofoana ny ainy no anton’ny fitoriana. Izao koa, raha mitombina ny hoe tsy nisy na inona na inona nalain’ireo olon-dratsy akory, dia mbola azo heverina izany fa fifofoana aina no nokasain’ireo nanatsatoka antsy. Ny faritra nokendrena rahateo, eo amin’ny tenda raha ny fanamarihana azo, dia tsy mba entina handratràna fotsiny fa fikasàna hamono tanteraka. Sanatria ve izany, raha hampifandraisana ireo tranga roa ireo, misy fikasàna higafy ny mpiasan’ny Viva ? Sa kosa asan-jiolahy toa ny fanendahana izay mitranga saingy kosa nisy fampiasàna zava-maranitra ? Hisokatra indray ny fanadihadiana ary antenaina fa mba hisy vokany izany satria ain’olona no saika lasa tao anatin’ny fotoana fohy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici