Ity vokatra azon’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina etsy Anosy(SUT) ity dia manambara fa mbola miparitaky tanteraka eto Antananarivo ireo karazana rongony mahery vaika. Tsy mifidy toerana hidoroana izany ihany koa ireo mpandray azy. Ny 13 septaémbre lasa teo dia olona telo no voasambotry ny polisy teny Ambodivona noho ny resaka fitazonana sy fifohana rongony mahery vaika. Efa fantatr-ireo mpitandro ny filaminana ireo ny fisiana olona mitazona sy mifoka rongony mahery vaika eny amin’ny faritra Ambodivona iny. Noho izany dia avy nidina teny an-toerana izy ireo nanao ny fanadihadiana sy fikarohana. Nandritra izany no nahatratrarana tao anatina hôtely, ny lehilahy iray sy vehivavy iray teo ampifohana ireo rongony mahery vaika. Rehefa tra-tehaky ny Polisy izy ireo dia nanoro ny mpamatsy azy ireo ka lehilahy iray ihany koa no voasambotry ny Polisy. Mbola tratehaka teny amin’izy ireo ny rongony 1.5g cocaïne base, 20 bonbons d’extasy, 04 sisha ary briquets miisa 06. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy izy ireo nanaovana fanadihadiana. Niaiky izy ireo fa sady mifoka no mivarotra ity fanetriben’ny firenena ity. Fantatra ihany koa fa avy any Mananjary ireo rongony mahery vaika ireo izay alefa taxi-brousse miakatra aty an-drenivohitra. Mbola eo ampanaovana fanadihadiana ny Polisy
D.R