- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodivona : Mpivaro-mandeha roalahy voaendaka sy voatsatoka antsy

Ambodivona : Mpivaro-mandeha roalahy voaendaka sy voatsatoka antsy

Mpivaro-mandeha roalahy indray no lasibatry ny mpanendaka teny Ambodivona, ny talata maraina be tokony ho tamin’ny 4 ora tany ho any. Araka ny loharanom-baovao, vao niala ny fiara nitondra azy ireo ireto olona ireto, dia efa nisy nanaraka. Tsy fantatra aloha na tsikaritr’ireo mpividy entana izany na tsia. Raha vao nahazo toerana somary mangina, avy hatrany dia nendahan’andian’olona tsy voafaritra ny isany. Tsy vitan’izany fa mbola voatsindrona antsy koa izy ireo. Ankevitry ny nanohitra angamba. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa voa mafy tokoa izy ireo ary tsy maintsy nampidirina hopitaly. Nisy mihitsy aza nilaza tamin’ireo nanatri-maso fa namoy ny ainy ny iray.

Fiara avy any amin’ny faritra andrefana no nandehan’ireto olona ireto. Matetika, tonga vao maraina be ireny ary eo indrindra no famelezan’ny jiolahy azy. Toa efa fantatr’ireo mpanendaka ireny olona tonga hividy entana ireny. Ankevitry ny efa voamarik’izy ireo ka tsy sarotra amin-dry zalahy ny manaraka azy. Tsy vao izao moa no nandrenesana mpividy entana tonga aty Antananarivo niharan’ny fanendahana fa efa im-betsaka mihitsy. Efa mailo ihany ireny olona ireny fa sendra ny be no ho vitsy ka dia tsy afaka miala mihitsy. Indraindray aza arahan’ireo olon-dratsy hatreny Behoririka eny izy ireo, ka na dia efa maro aza ny olona mifamezivezy dia ataony amin’ny fanaovany azy. Etsy andaniny, matahotra ny mpandalo ka zary lasa mitazam-potsiny. Efa lasa ireo jiolahy vao samy mifanontany tena.

nangonin’I r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser