- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodivona : Mpivarotra kodiarana voatafika

Ambodivona : Mpivarotra kodiarana voatafika

Amin’ny andro antoandrobe nanahary no raikitra ny fandrobana, ny alarobia teo. Tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany, amin’ny fotoana nivoahan’ny tompon’ny tsena ny toerana no niditra an-tsehatra ireo olon-dratsy izay tombanana ho efatra ny isan’izy ireo. Ny roa no avy hatrany dia nandrangaranga basy ary nisintona ny vola izay natao tao anaty harona plastika. Ny roa hafa kosa dia nijery sy nampihorohoro ny manodidina sao misy miditra an-tsehatra tampoka. Toa efa fantatr’izy ireo mihitsy ny misy ny vola, raha ny fandinihana ny fizotran’ilay fanafihana. Tsy naharitra ela arak’izany dia tontosa ny asa ratsy. Mpivarotra kodiarana ny voatafika ary raha araka ny fanamarihana, dia mitentina fito tapitrisa ariary no voaroba, izany hoe ny vola maty iny andro iny, miampy izay mety ho tahirin’ny tompony. Nitsoaka an-tongotra niditra tany anelakelan-trano ny olon-dratsy nony avy teo. Noho ny fisian’ny basy teny amin’ireo mpanafika, dia tsy nisy sahy ny nanara-dia ny olona. Nanao tifi-danitra rahateo iretsy voalohany. Tonga ny polisy taorian’izay ary nanao fisafoana ny manodidina. Mbola hita teo ny taim-bala roa izay nampiasain’ireo mpanafika. Raha ny filazan’ireo mpivarotra kodiarana izay betsaka izy ireo no eo Ambodivona, dia efa saika notetezin’ny jiolahy ny toeram-pivarotana. Mitaraina arak’izany izy ireo ny amin’ny mba tokony hanasiana mpitandro ny filaminana eo amin’ny manodidina na hanamafisana ny fisafoana, mba farafaharatsiny hampihemotra ny jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici