Efa tena arifomba raha amin’ny resaka fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy, eny fa na dia hatramin’ireo mpisam aza ! Tsy vitan’ny zava-maranitra intsony mantsy izao no entin-dry zalahy ireo fa efa miaraka amin’ny basy mihitsy. Nirefodrefotra izany ny talata alina lasa teo. Nanakoako eran’ny faritra Ambodivona sy Ankadifotsy ny poa-basy, tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any. Mpanendaka avy nanao ny asa ratsiny no sendra nifanehatra tamin’ireo pôlisy nisafo teny amin’iny faritra iny ka velona ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Raha ny fanazavana azo tamin’ireo mpitandro filaminana dia efa nisy bandy saika hametrahana vela-pandrika teny an-toerana tamin’io fotoana io. Tamin’izay fotoana izay indrindra anefa no nahare antso vonjy tamina olon-tsotra, nizotra tamin’iny lalana Ambodivona iny ireo pôlisy, tsy lavitra teo amin’ilay toerana. Araka ny fantatra dia mpandeha vao tonga teo, saika handeha hiantsena ity niantso vonjy ity. Bandy telo lahy, niaraka tamn’ny basy no nanendeka azy tamin’io fotoana io. Vantany vao nahatazana ireo mpitandro filaminana tonga avy any ireto olon-dratsy dia nanao tari-dositra nitsoaka, nihazo elakelan-trano teny an-toerana. Raikitra ny fifanenjehana. Nahita ireo polisy tsy namela azy ireo mpanendaka ka avy hatrany dia nifitra. Voatery namaly ihany koa ireo mpitandro filaminana tetsy an-danin’izany. Na izany aza anefa, somary nitsitsy ihany izy ireo sao misy olona mivoaka tampoka ka mety ho voan’ny bala tsy nahy. Nanararaotra izany ireo mpisam ka tafaporitsika tanaty elakelan-trano isan-karazany tany. Amin’izao fotoana izao tokoa, toa efa tsy matahotra n’iza n’iza intsony ireo olon-dratsy. Asa raha hoe ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana amin’izao fotoana izao ve no mampirogotra ity asan-jiolahy ity ? Anjaran’ny tsirairay no tokony hitandrina, indrindra fa rehefa mandroso alina ny andro, ny ratsy mantsy tsy kely lalana intsony amin’izao fotoana izao. Entanina foana ihany koa ireo olona mahita zavatra na olona mampiahiahy, hiantso avy hatrany ny mpitandro filaminana akaiky azy ireo.
m.L