- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodivona : Norobain’ny jiolahy ny volan’ny mpandeha avy any Toamasina

Ambodivona : Norobain’ny jiolahy ny volan’ny mpandeha avy any Toamasina

Toe efa fantatr’ireo mpanendaka fa olona hiantsena avokoa ireo tao anatin’ilay fiara.

Omaly maraina be tamin’ny 3 ora, niantsona tetsy Ambodivona ny taxi-brousse iray avy any Toamasina nitondra mpandeha eo amin’ny 12 eo. Teo am-piandrasana ny andro hazavazava, tsy mbola nisy nivoaka ny fiara ireo mpandeha niaraka tamin’ny mpamily. Ny loharaom-baovao no nahalalana fa afaka fotoana fohy, indreny nisy fito lahy voalaza fa nitondra taxi ary nanontany an’izay mila izany. Samy tsy mbola nisy taitra anefa. Tampoka, nidiran’izy ireo ilay fiara ary voambana basy avokoa ireo mpaneha. Tsy nisy afaka nihetsika. Nanomboka nosavoain-dry zalahy tsirairay ary nalainy avokoa ny poketra, ny “sac banane”, ny telefonina. Nisy vehivavy iray very hatrany amin’ny 800 000 ariary. Vola 1 000 ariary sisa tany aminy. Io no tsy lasan’ireo mpangalatra ary nahafahany nandeha taxi-be namonjy ny havany. Voaroba ihany koa ny mpamily ka lasa daholo ny “versement”. Ny vaovao vaoray hatrany no nahalalana fa teo amin’ny 5 minitra teo no naharetan’izany fanendahana izany. Raha vao azon-ireto olon-dratsy izay nilainy dia lasa nandeha izy ireo. Nikoropaka nampandre ny mpitando filaminana izay tsy lavitra eo ireo niharan’ny fanendahana. Efa fotoana elaela anefa ireo vao tonga. Fantatr’ireo mpandroba fa alarobia omaly ary maro ireo olona avy any amin’ny faritra miakatra hividy entana. Ny ankamaroan’ireo very vola dia olona sahala amin’izany avokoa, miakatra maraina dia mody ny hariva rehefa mahazo ny entana ilainy.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser