- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbodivona : Roalahy main’ny herinaratra 63.000 volts, nahatapaka ny jiro teto Tanà

Ambodivona : Roalahy main’ny herinaratra 63.000 volts, nahatapaka ny jiro teto Tanà

Loza mahatsiravina! Roalahy no kilan’ny herinaratra 63.000 volts tetsy Ambodivona, omaly antoandro, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any. Vokany, miady amin’ny fahafatesana ny iray hatramin’ny ora nanoratanay. Nahitana faharatrana kosa ilay namany.

Nampisahotaka tanteraka ny mponina teo Ambodivona ity tranga omaly ity. Raha ny fanazavana azo teny an-toerana mantsy dia ny tselatr’afo no nanaitra ny rehetra. Ary indrisy fa olona efa midonan-tsetroka no hita avy eo. Mpiasa amin’ny toeram-pivarotana  iray eny an-toerana izy roalahy ireto. Tamin’io fotoana io dia nisy asa nampanaovana azy ireo tany ambony tafo. Somary avo ihany ilay trano ary zara raha miala metatra vitsivitsy eo amboniny fotsiny ilay tariby mitondra herinaratra matanjaka (63.000 volts), avy any Andelakaleka. Noho ny fahamaikana amin’ilay asa ihany koa dia tsy nisy nanao kapa izy roalahy raha niakatra teo ambonin’ilay trano, raha ny filazan’ireo namany. Tsy fantatra mazava araka izany izay nahazo ity iray, fa angamba nikasoka tamin’ilay tariby ny tenany ary avy hatrany dia nihantona sy nidonan-tsetroka. Nahita izany ilay namany, raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso, ka avy hatrany dia niezaka namonjy ity mpiara-miasa aminy, saingy hadisoana mihoam-pampana. Niara-niraikitra teo izy roalahy. Tsy nisy azon’ny rehetra natao afa-tsy ny niantso mpamonjy voina. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina, niaraka tamin’ireo mpitsabo. Toa efa tsy nisy aina intsony ilay voalohany may raha nentina namonjy hôpitaly haingana. Saika may avokoa mantsy ny vatany iray manontolo. Mbola tsaboina eny hatramin’ny omaly izy io. Faharatrana tsy dia goavana kosa ny an’ilay namany, ary efa nalefa nody rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy.

Jiro tapaka. Raha ny filazan’ny tompon’andraikitra tokoa mantsy dia tariby mpitondra herinaratra mivantana avy any Andekaleka mpamantsy an’Antananarivo izy io. Nipika avy hatrany ireo « groupes » rehetra tany aloha, noho ilay « court-circuit » nisy. Nisy fiantraikany goavana tamin’ny famatsiana herinaratra teto an-drenivohitra izany. Tapaka naharitra adim-pamantaranandro maro mihitsy ny jiro, tamin’ny faritra sasany ary tsy niverina tanteraka raha tany amin’ny 4 ora hariva tany ho any. Azo lazaina angamba fa soa ihany, nisy ilay « court-circuit » ka nahatapaka ny jiro. Raha tsy izay mantsy dia mety ho nojerem-potsiny teo ny nahamay tanteraka an’ireo olona main’ny herinaratra ireo, fa tsy nisy famonjena azo natao. Isan’ny mampametra-panontaniana ny maro ihany koa ny fomba fipetrak’ity trano, izay miorina ao ambanin’ny tariby mpitondra herinaratra matanjaka ity. Avy aiza ary iza no fositra, ny mpanome alalàna sa ireo mpanorina tsy ara-dalàna ? Dia loza tahaka izao tokoa mantsy ny vokatry ny tsy fitandremana ataon’ny sasany. Ny tsy manan-tsiny sy ny mpiasa madinika foana no voa amin’ny ataon’ireo lehibe sy mpanam-bola …

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser