- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodromamy-Ambatoboeny : Fanafihana tranombarotra : nitifitra ny tompon-trano, jiolahy iray maty

Ambodromamy-Ambatoboeny : Fanafihana tranombarotra : nitifitra ny tompon-trano, jiolahy iray maty

Poa-basy nirefodrefotra ! Nifampitifitra teo an-tampon-tanàna ny tompon’ny fivarotana iray sy ny andian’olona miisa efatra nirongo basim-borina nikasa hanafika tranombarotra, teny amin’ny tanàna antsoina hoe 2éme  » quartier », ao amin’ny kaominina Ambondromamy, any amin’ny disitrikan’Ambatoboeny, ny harivan’ny alahady lasa teo.  Taorian’izay, ny telo tamin’ireo dahalo  nitsoaka rehefa tsy nahavaly ny fifandonana. Tifitra nataon’ilay tompon’ny fivarotana no nahafaty ny iray tamin’ireo malaso. Marihana fa na dia tao anatin’ny ady aza ity raim-pianakaviana tompon-trano ity dia tsy nisy nanombinana ny vatany, eny fa na dia tao anatin’ny fifampitifirana aza. Nivoaka haingana ny tompon-trano rehefa nahita an’ireo jiolahy nitondra basy sy nitsoaka kirorioka. Fotoana fohy taorian’izay, nirefotra ny poa-basy. Tsy tazana noho ny andro efa maizina ny tifitra variraraka. Namaly izany avy hatrany no nataon’ity tompon’ny fivarotana ity. Taorian’izay ny fokonolona vao niara-nanenjika ireo malaso. Tamin’izany no nahitana ny vatana mangatsiaka lehilahy iray. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny lehiben’ny borigadin’ny zandary any an-toerana hatrany, dia efa ho fotoana naharitra ihany vao niantso mpitandro ny filaminana ny tompon’ilay fivarotana. Mitohy kosa ny fanadihadiana any an-toerana.

Ratantely 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici