- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohangibe : Moto 2 nifandona, samy tapa-tongotra ny roa tonta

Ambohangibe : Moto 2 nifandona, samy tapa-tongotra ny roa tonta

Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’iny faritra Ambohangibe iny,  omaly tolak’andro tokony ho tamin’ny  iray ora latsaka fahefany teo. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa moto 2 no nifandona mafy. Vokany, samy tapaka ny tongotry ny roa tonta, na ny andaniny na ny ankilany. Teo ihany koa ny filazana fa simba tanteraka ihany koa ireto moto roa ireto.  Samy voa mafy tokoa ny roa tonta. Araka ny vaovao voaray dia voalaza fa samy nandeha mafy avokoa ireto moto 2 ireto, ka teo amin’ny fifanapahan-dalana no nifandona. Teo no niteraka ny loza. Tsy nisy nifanome tsiny moa izy ireo fa samy nahatsapa ny tenany ho diso avokoa ny tsirairay  ka samy nitsabo ny tenany tsy nisy rohirohy. Ny vatana naratra no nisy nandritra ity loza ity fa ny aina nafoy kosa tsy nisy. Efa samy manohy ny fitsaboana eny amin’ny hopitaly moa ireto naratra ireto amin’izao fotoana izao .

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici