- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversFianakaviam-ben’ny Foibe Fitsaràna fiara : Ambohi-pihaonan’ny firaisan-kina teny Alasora

Fianakaviam-ben’ny Foibe Fitsaràna fiara : Ambohi-pihaonan’ny firaisan-kina teny Alasora

Niavaka tanteraka ny fankalazana ny 1er May, na ny fetin’ny asa, ho an’ny teo anvion’ny Foibe Fitsaràna fiarakodia na ny DGSR, teto an-drenivohitra. Nifampitaona tetsy amin’ny Toby fitsaràna tetsy Alasora izy rehetra, notarihan’ny Tale Jeneraliny, ny Jly Reribake Jeannot, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony isan-karazany, eo anivon’ity orinasam-panjakana misahana ny fitsaràna fiarakodia ity. « Natao manokana izao, hanamafisana ny firaisan-kina eo amin’ireo samy mpiasa, na ireo eo anivon’ny zandarimariam-pirenana izany na ireo mpiasa sivily (…) Fotoana ihany koa izao hampitàna amin’ireo mpiasa rehetra ny hafatra, hanantanterahana ny vina kasaina hatao. Ao anatin’izany ny ady amin’ny kolikoly, izay tsy handefarana mihitsy» araka ny fanazavana azo. Marihana fa nosafidiana manokana ity ivon-toerana tetsy Alasora By pass ity, noho ity farany kasaina atao filamatra amin’ny rehetra, na amin’ny lafin’ny foto-drafitrasa na amin’ny lafin’ny fandraisana ireo mpanjifa. Tamin’io omaly io dia nisy fanadiovana izany ivon-toerana izany, ny fandokona ny tamboho ary fanatsaràna ny toeram-piasàna, iainana tamin’ny alàlan’ny fambolena voninkazo. Nofaranana tamin’ny hetsika ara-panantanjahantena niarahan’ny rehetra (zumba) moa ny fotoana omaly.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici