- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohibao – Andranoro : Olona 6 nianjeran’ny trano, voatsindry nandritra ny adiny...

Ambohibao – Andranoro : Olona 6 nianjeran’ny trano, voatsindry nandritra ny adiny dimy

Atahorana mafy ny ain’ny anankiroa amin’ireo naratra.

Nirodana omaly ny ampahany tamina trano lehibe iray, izay vao eo andalam-panamboarana etsy Ambohibao – Andranoro. Mpiasa fito lahy no indray voatsindrin’ilay ampahan-drindrina « béton » tao, saingy nalaky tafavoaka ny iray. Ireo ambiny kosa tavela tao ka naharitra  adiny 5 ny fisokirana azy ireo tao. Tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany tany no nitranga ny loza, raha ny fitantaran’ny olona teny an-toerana. Nihotsaka tampoka ilay izy ary nanindry ireo mpiasa tao ambany tao.  Samy nikoropaka ny rehetra nanao izay ho afany namonjena ireo mpiasa ireo.

Fotoana fohy taorian’ny fianjeran’ilay “béton” dia nisy mpiasa roa tafavoaka, ka nalefa haingana notsaboina eny amin’ny hopitaly Loterana eny Ambohibao. Nitohy hatrany ny famonjena ireo niharamboina, ary tonga nanampy teny an-toerana ny mpamonjy voina sy ny teo amin’ny manodidina, samy nifanome tànana. Efa tamin’ny 7 ora hariva tany ho any vao tafavoaka tao ny mpiasa iray tavela farany tao. Naratra mafy izy io. ireo mpiasa roa izay tena voa mafy no tena atahorana ny ainy. Nalefa eny amin’ny hopitaly eny Ambohibao avokoa moa izy ireo manaraka fitsaboana. Efa misy ihany koa ny fanadihadiana misokatra mba hahafantarana izay tena antony nahatonga ny loza.

A.R.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser