- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibao Antehiroka : Ben’ny tanàna teo aloha voatafika

Ambohibao Antehiroka : Ben’ny tanàna teo aloha voatafika

Tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any, jiolahy maromaro no niditra an-keriny tao amina tokantranona olom-boafidy iray, ben’ny tanàna ny kaominina Antehiroka teo aloha omaly.

Araka ny vaovao azo avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena misahana iny faritra, dia nisy teo amin’ny dimy teo ireo olon-dratsy, izay nirongo zava-maranitra no nanafika ity olom-boafidy ity. Marihana hoy ny fanazavana azo, fa mipetra-drery ity farany. Nihanika tamboho ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io ary nanapaka ny karakara vy izay miaro ilay toeram-ponenana. Nanao amboletra niditra avy hatrany izy ireo ary nanambana antsy ny tompon-trano nitady ny vola rehetra. Tsy nisy vola anefa tao amin’ity farany ka ireo entana rehetra izay lafo vidy tao no nalain’ireo olon-dratsy. Anisan’izany ny fahitalavitra « ecran plat » iray, solosaina fentin-tanana sy finday, raha ny vaovao azo hatrany. Angamba tsy nety nino ny tsy fisiam-bola tao ireto mpanafika ka mbola nanery ity ben’ny tanana teo aloha ity hatrany, tamin’ny alalan’ny fandrahonana. Efa nipaika teny amin’ny tarehiny mihitsy aza moa ny antsy, raha ny angom-baovao hatrany ary nandratra azy kely. Tsy nisy n’inona azon’ity  voatafika nomena anefa. Voalaza, raha ny angom-baovao hafa, fa toa hoe hany herin’izy ireo dia nitaky ny « carte bancaire »-ny ary noterena ity farany haka ny vola any amin’ny banky. Teo no nanararaotra nitsoaka sy niantso ilay voatafika ary lasa nitsoaka ireo olon-dratsy. Nandray an-tànana ity raharaha ity avy hatrany moa ny zana-tobim-paritry ny zandary eny Ambohibao, ary efa mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy amin’izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici