- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibao Antehiroka : Fikasàna hamono mpandraharaha sinoa, olona dimy nosamborina

Ambohibao Antehiroka : Fikasàna hamono mpandraharaha sinoa, olona dimy nosamborina

Tsy tanteraka tao anatin’ny ora farany ny fikasan’ireto olon-dratsy saika hanafika tao amina tokantranona terantany sinoa tetsy Ambohibao Antehiroka ny zoma lasa teo. Na izany na tsy izany aza anefa, dia nitondra takaitra ireto mpivady tompon-trano satria dia naratra mafy, vokatry ny daroka sy vely baramina nataon’ireo olon-dratsy. Hatreto aza araka ny fantatra dia mbola tsy mahatsiaro tena ilay sinoa vavy, izay tena voa mafy tokoa teo amin’ny lohany. Nandray an-tanana avy hatrany ity raharaha ity ireo zandary eny an-toerana. Tsy ela fa ny hariva sy ny ampitson’ny nisian’ity fanafihana nandamoka ity ihany dia voasambotra ireto tompon’antoka tamin’ilay fandratrana. Tsy iza ny iray tamin’ireto farany fa ny sakaizan’ny zanaka vavin’ilay mpiambin’ny tanan’ireto terantany sinoa ireto ihany. Rahalahin’ilay nahavanon-doza kosa ireo namany roalahy hafa. Niaiky ny heloka vitany ireto farany, ary nilaza fa ny hamono hofaty ireto mpandraharaha ireto mihitsy ny tetik’izy ireo, izay efa maty paika tokoa. Amin’izay mantsy, hoy izy ireo tamin’ny fanadihadiana fa mora kokoa ny maka ny lakile rehetra tao an-trano. Omaly no natolotra ny Fampanoavana, ilay mpiambina sy ilay zanany vavy, izay voarohirohy ho mpiray tsikombakomba, niampy ireo telolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana sy ny fandratrana ireo sinoa mpivady. Miantso hatrany ny tsirairay ny zandary ny amin’ny tokony ho fahamailona tanteraka amin’ny fiainana, indrindra fa hoe fiharian-karena mety hitondra fakam-panahy ho an’ny olona hampiasaina no atao. Ary indrindra ihany koa ny fanomezam-baovao ara-potoana any amin’ny zandary, ny amin’ny toe-javatra mety hampiahiahy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici