- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibao Antehiroka : Mpiambina tanàna nodarohana sy noroahana tamin’ny andro alina

Ambohibao Antehiroka : Mpiambina tanàna nodarohana sy noroahana tamin’ny andro alina

Maso mahita. Mihetraketraka loatra ny teratany vahiny sasany eto amintsika kah ! Tranga nahavalalanina ny maro sy ireo mpifanila vodirindrina no niseho afak’omaly alina, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany, tao amin’ny Fokontany Mamamba Ambohibao Antehiroka. Fianakaviana roa izay mpiambina tanàna no noroahina teratany Sinoa (izay tsy tompon’ny tany akory) hiala ny trano bongo fonenany. Tsy vitany noroahina tamin’ny andro alina ireto fianakaviana, fa mbola niharan’ny daroka sy vono ihany koa ny raim-pianakaviana iray rehefa niezaka nanazava. Taorian’ny zava-nitranga sy ny fitarainan’ny mpiara-monina, tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana ny tompon’andraikitra avy tao amin’ny Fokontany. Raha ny fanazavana azo, mpiambina tanàna niasa efa am-polo taonany tamina teratany Sinoa iray ao Mamamba ireto fianakaviana, ary efa fito taona ireto farany no tsy nandray karama, satria tsy monina eto Madagasikara ilay Sinoa tena tompon’ny tany.

Tsindrihazo lena. Ka rehefa nanomboka nitaky ny volany ireto mpiambina, dia tezitra mafy ilay rangahy Sinoa rain’ny tompon’ny tany, ary nitory an’ireo mpiambina teny amin’ny zandary Ambohibao Antehiroaka. Tsy nahazo rariny tany ity lahiantitra, ka nanao latsak’alina niaraka tamina olona telo « gros bras » tany amin’ireto mpiambina, ary tonga dia nandroaka avy hatrany teny an-dalambe an’ireto mpiambina tanàna sy ny fianakaviny. Nanoloana ny herisetra nihatra sy fandroahana tao amin’ny trano fonenany tamin’ny andro alina. Omaly naraina, nametraka fitoriana sy fitarainana teny amin’ny biraon’ny Zandarimaria Ambohibao ireo niharam-boina. « Efa tsy mahazo karama an-taonan’ny maro izahay, dia mbola iharan’ny herisetra sy natao roaka alika ihany koa amin’ny trano onenanay. Sa mbola manjaka eto ny tsindrihazo lena amin’ny madinika », hoy ireto fianakaviana. Efa eo ampelatanan’ny tompon’andraiki-panjakana ny raharaha ankehitriny ka ho hita eo ny tohiny.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici