- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibao Atsimo – Manjakandriana : Lehilahy nanjavona 3 volana, taolany sisa hita

Ambohibao Atsimo – Manjakandriana : Lehilahy nanjavona 3 volana, taolany sisa hita

Ny 24 janoary tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany antoandro no nahitana fatin’olona tao amin’ny toerana antsoina hoe Antanimenakely Ambohibao Atsimo any amin’ny disitirikan’i Manjakandriana. Tonga di nampandrenesina ny zandary any an-toerana ka nidina nijery ifotony niaraka tamin’ny dokotera sy ny lefitry ny ben’ny tananan’ Ambohibao Atsimo. Rehefa teny amin’ilay toerana dia samy gaga ny rehetra fa  taolana  sivy mbola tao anaty akanjo no hita. Tao ihany koa ny karapanondron’ilay olona. Avy tamin’izay no nahafantarana azy. Rasolofonirina Ravoniaina no anaran’ilay maty, 31 taona ary nonina tao Antanamanjaka kaominina Ankadukely Ilafy. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa,efa tamin’ny volana oktobra 2015 no tsy hita ity olona ity. Nomena avy hatrany ny finakaviany ny razana. Ny zandary avy ao Andriampamaky no misahana ny fanadihadiana. Hatramin’izao aloha,tsy fantatra ny antony nahafaty an’ity lehilahy ity.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici