- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohibao : Bemidin’ny zandary, olon-dratsy efatra voasambotra

Ambohibao : Bemidin’ny zandary, olon-dratsy efatra voasambotra

Anisan’ny fototra iray mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ny fisian’ireo mpidoroka zava-mahadomelina mahery vaika. Ny alahady teo, nisy ny bemidina nataon’ny zandary, nentina namongorana ireo andian’olona « mpiondana » izany teny amin’iny faritra Ambohibao sy ny manodidina iny. Tao anatin’izay, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary no nahatratrana efa-dahy, mbola teo am-pisintomana tsara « sigara be ». Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia nentina nihazo ny biraon’ny zandary avy hatrany ireto farany, ho amin’ny famotorana azy. « Tratra aloha izy efa-dahy, omaly maraina (ndlr alahady maraina), izay isan’ireo mpitarika ny ambohipihaonana amin’ny fiaraha-mifoka rongony sy fikonokonona amin’ny fanaovan-dratsy ety amin’ny faritra Andranoro, kaominina Antehiroka iny ». Fanambarana ofisialy navoakan’ny zandary izay toa te hiteny hoe, misimisia ihany ny manandrana fa ho avy izy ireo amin’ny angady sy harona. Nanamafy izany aza moa ny hoe « tsy bemidina fotsiny akory no natao fa ety isan’andro ary amin’ny ora rehetra ny zandary saingy misy landim-boatavo arahina mba hamongorana ireo tena mpamatsy [rongony] sy ireo manao ratsy » hoy hatrany izy ireo. Efa eo am-panaovana ny famotorana azy efa-dahy moa ireo mpitandro filaminana avy etsy amin’ny tobim-paritra Ambohibao. Miandry ny fotoana hanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana aorian’izay.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici