lundi, avril 21, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibao : Efa-dahy nandroba lasa ny vola rehatra

Ambohibao : Efa-dahy nandroba lasa ny vola rehatra

Ny 14 febroary  teo tokony tamin’ ny iray ora maraina, nisy jiolahy nandroba tao amin’ ny fivarotana iray teny Mamamba Ambohibao. Ny varavarana no nopitsohin’ ireto olon-dratsy tamin’ ny « Barre à pince ». Ankoatr’ izany , basy PA sy antsy  no fitaovana nentin’ ireto mpandroba tamin’ izany. Avy hatrany dia nivantana tany amin’ ny efitra fatoriana izy ireo ka nanambana basy ny tao an-trano, tsy nahahetsika ny tao an-trano raha vao nahatazana ireo fitaovam-piadiana teny an-tànan’ ireto mpanafika, ka dia nanarampo ry zalahy tamin’ izay entana tiany hentina .  Folo minitra teo no naharetan’ ny fanafihana ka lasan’ izy ireo tamin’ izany ny vola  400 000ar, fahana finday mitotaly 240 000ar ary “playstation” iray . Vao nahazo izay nilainy  ireto jiolahy dia lasa nirifatra nandositra tsy nisy ny fampiasan-kery tamin’ izany, ny tompon-trano koa  tsy nanohitra ka dia nisaraka tsy nisy naratra fa ny entana no very.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser