- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibao : Fitifirana mpitam-bola : dimy no voasambotra

Ambohibao : Fitifirana mpitam-bola : dimy no voasambotra

Vola iray tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy, niaraka tamin’ny findain’ny olona izay tao an-trano. Ain’olona iray kosa no lasa nandritra ny fanafihana. Tsy iza fa ny mpitam-bolan’ny fiangonana iray no notifirin’ireo olon-dratsy teo amin’ny feny ary nitarika fahafatesana ho azy izany noho ny fahaverezan-drà be loatra. Omaly dia fantatra fa nisy ny olona efa nosamborina ary efa nanomboka nohadihadiana. Dimy ny isan’izy ireo, raha araka ny vaovao azo. Raha ny fantatra dia ny ampitson’ny nisehoan’ilay heloka dia efa nisy iray voasambotra. Niainga tamin’ny fanadihadiana an’io no heverina fa nitarika ho an’ny fisamborana ireo hafa. Nisy olona avy eo Ambohibao ihany tao anatin’ireo nohadihadiana, raha araka ny vaovao azo hatrany. Mbola ilaina hatrany ny fiompananan’ny fanadihadiana avy amin’ny alàlan’ny taim-bala izay hita. Mampandroso haingana ny fahafantarana ny niavian’ny basy nampiasaina izany, ary koa amin’ny fiadiana amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana. Saingy hatreto dia tsy mba tonga amin’izany mihitsy ny tena fanadihadiana mandeha.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser