- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibao : “Fivarotan-tsolika nirehitra” : hay fanazaran-tena

Ambohibao : “Fivarotan-tsolika nirehitra” : hay fanazaran-tena

Talanjona ny olona raha nahita ny fiaran’ny mpamonjy voina nizotra nankany Ambohibao ary nijanona teo amin’ny fivarotan-tsolika iray. Teo an-toerana ihany koa dia nisy afo nirehitra ary mainka izany rehetra izany nanaitra ny olona. Omaly tokony ho tamin’ny mitataovovonana no nitranga izany. Nisy tokoa ny famonoan’afo izay niarahan’ny mpamonjy voina sy ny “pompiste”. Rehefa nohamarinina dia hay nanao fanazaran-tena ny roa tonta, amin’ny resaka famonoan’afo eo anivon’ny fivarotan-tsolika. Naverimberina izany ka teo no nahatsikaritra tamin’izay ny olona fa tena fanazaran-tena tokoa. Isan’ny faritra tena arovana ny fivarotan-tsolika amin’ny resaka afo. Ny antony fantatry ny rehetra dia satria mora mirehitra ny solika. Saingy ny tena atahorana dia ny fisian’ny tobin-tsolika ao ambanin’izy ireny. Vokatr’izany, raha sendra mitranga ny loza ka tsy voafehy, dia mety ho faritra lehibe no indray manjavona ao anatin’ny fotoana fohy. Ny ain’olona mety ho afoy mety ho marobe. Mety ho dokam-barotra na fanatsarana ny fijerin’ny mpajifa no anton’ity fihetsiketsehana nataon’ny mpivarotra solika iray ity, saingy kosa amin’ny lafiny iray dia ohatra tsara ho an’ireny toerana ireny ity natao omaly ity, eny fa dia somary nampisahotaka kely aza…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici