- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibao - Fivarotana voatafika : olona iray maty voatifitra, iray hafa naratra...

Ambohibao – Fivarotana voatafika : olona iray maty voatifitra, iray hafa naratra mafy

Mitaintain-dava. Nitrangana fanafihan-jiolahy indray mantsy, teny amin’iny faritra Ambohibao Antehiroka iny, ny harivan’ny alatsinainy lasa teo. Mpivarotra iray no notafihana telolahy nirongo basy poleta. Vokany, olona iray no maty voatifitra, iray hafa naratra mafy. Lasan’ireo olon-dratsy kosa ny vola mitentina enina hetsy ariary, niampy ireo entana sarobidy tao an-tsena. Tokony ho tamin’ny enina ora hariva teo no tonga tao amin’ity tsena ity ireto olon-dratsy ireto. Tsy nisy niahiahy azy ireo ho olon-dratsy mihitsy ny teny an-toerana tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo. Toy ireny mpividy ireny ihany mantsy, sady nilanja gony. Tsy nampoizin’ny rehetra ny namoahan’izy telolahy ny basy poleta izay nafenin’izy ireo tao anatin’ilay gony nentiny. Ary tsy nisalasala izy ireo nampiasa izany. Nirefotra ny basy. Rangahy iray 49 taona, mbola variana nihinana masikita teo am-pitan’ity tsena ity no niantefan’ny bala. Niditra teo amin’ny lamosiny izany ary nivoaka teo amin’ny tratrany. Naheno ny fikoropahan’ny olona ny tovolahy iray 18 taona, tao ambonin’ilay tsena ka nirohotra, toa hamaly ireto mpanafika. Navilin’ireto jiolahy tany aminy indray anefa ny vavam-basy. Niantefa teny amin’ny tanany ny bala. Tsy nisy sahy nanohitra ireto olon-dratsy vonon-kamono ireto intsony ireo olona, ka nanararaotra nandraoka ny vola rehetra tao an-tsena izy ireo. Azony ny vola sy ny entana dia lasa nitsoaka izy rehetra. Taorian’izay vao nisy niantso mpitandro filaminana ary niezaka namonjy ireo naratra. Tsy nisy azo natao intsony ny amin’ilay rangahy voan’ny bala teny am-pita, izay maty tsy tra-drano. Nentina tany amin’ny tobim-pahasalamana kosa ilay tovolahy naratra teo amin’ny tanany. Nanao savahao ny manodidina ireo zandary tonga teny an-toerana,  saingy efa nanjavona ireo olon-dratsy. Efa mandeha moa amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireto mpanafika ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici