- Publicité -
samedi, août 2, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohibao : Jiolahy raindahiny nadoboka eny Tsiafahy

Ambohibao : Jiolahy raindahiny nadoboka eny Tsiafahy

Nisesisesy ny fanafihana mitam-piadiana teny amin’iny faritra Ambohibao Antehiroka iny tao ho ao. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny zandary tamin’ny fikarohana ireo olon-dratsy ary nisy ny vokatra. Tambajotra iray no rava. Miisy dimy ireo voapaingotra ka ny roa tamin’ireo no vehivavy.

Raha ny fanazavana azo dia niainga tamin’ny fanafihana indroa miantoana nitranga teny an-toerana ny volana jona teo ny fanadihadiana nataon’ireo zandary tompom-paritra. Raha tsiahivina mantsy, ny 12 jona dia tokantrano iray no lasibatra tao Antalamohitra, Antehiroka.  Nisy ireo entana maromaro very ary naratra vokatr’izay ny tompon-trano. Folo andro taorian’io, nisy fanafihana ihany koa teo Ambohijanahary Antehiroka. Mitovy tsy misy valaka amin’ny fomba fiadin’ireo jiolahy nanafika tao Antalamohitra ny nanaovany ity tokantrano tao Ambohijanahary ity. Antony niheverana’ireo mpitandro filaminana fa tambajotra iray ihany no nahavita an’io. Iray volana taty aoriana, nioty ny vokatra tamin’ny fikaroham-baovao mahakasika ireo jiolahy ireo tompon’ny famotorana. Nisy vehivavy roa voarohirohy tamin’izany, izay voalaza fa mpiray tsikombakomba tamin’ireo mpanafika. Nisy mpanao fanafody ratsy ihany koa ( ombiasa) izay mpamatsy ody ireo jiolahy. Ary nisy ireo tena mpandray anjara mivantana tao anatin’ny fanafihana. Marihina, hoy hatrany ny vaovao, fa mbola misy naman’izy ireo karohina fatratra amin’izao fotoana ary tsy hamelan’ireo mpitandro filaminana raha tsy tratra manaraka ireto efa voasambotra ireto ihany koa.

Efa natolotra ny Fampanoavana moa ireto olon-dratsy ireto ka ny roa nadoboka avy hatrany eny Tsiafahy ary ny ambiny nalefa eny Antanimora.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici