- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibao: Kalach roa sy PA sarona teny amin’ny jiolahy

Ambohibao: Kalach roa sy PA sarona teny amin’ny jiolahy

Jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana no saron’ny pôlisy misahana ny heloka bevava niaraka tamin’ny basy fampiasan’izy ireo. Tsy mbola tontosa ny fanafihana nokasain’izy ireo dia efa voasambotra. Sarona ny basy kalachnikov miisa roa sy pistolet automatique iray. Efa-dahy izy ireo no voasambotra raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny pôlisim-pirenena. Tsy teto an-drenivohitra akory no niseho ny fisamborana fa tany amin’ny faritra, tany Maevantanàna. Tsy nijanona teo anefa ny fanadihadian’ny pôlisy, satria nitohy hatrany Ambohibao, toerana izay nanaovana fisavàna trano, ny tranon’ireo olon-dratsy. Tsy mbola fantatra kosa ny tatitra mahakasika an’izany, satria noraisin’ny pôlisy ho tsiambaratelo. Na izany aza dia fantatra fa hisy ny fihaonan’ny pôlisy misahana ny fanadihadiana mahakasika ny heloka bevava amin’ny mpanao gazety, anio momba ity raharaha ity. Avy aiza ihany ny hiavian’ny basy lava kalachnikov izay ampiasain’ny jiolahy? Torak’izany koa ny mahakasika ny “pistolet automatique”. Raha ny marina dia tsy misy afa-tsy ny mpitandro ny filaminana no mitazona izany. Hatrizay dia ny krizy tamin’ny taona 2002 hatrany no antony nanamarinana ny fiparitahan’ny basy. Moa mbola mitombina ve izany ankehitriny? Isan’ny vahaolana napetraka ny fanaraha-maso ny fampiasana ny basy isaky ny toby tsirairay mba hahafahana manamarina an’izany rehefa misy ny fanafihana. Torak’izany ihany koa ny bala izay ampiasain’ny jiolahy ka azo hamarinina avy amin’ny taim-bala. Saingy toa mbola tsy mipetraka tsara izany paika izany hatramin’izao…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser