Tratra ambodiomby ilay rangahy 40 taona. « Tetsy amin’ny manodidina ny sekoly iray eo amin’ny fokontany Morondava, kaominina Ambohibao, namelarana fandrika ilay lehilahy rehefa nahazoan’ny zandary fitarainana. Nosamborina ary tratra teny amin’y ny rongony efa vita fono niisa 16 ary nokasainy hamidy 3.000 ariary ny singany iray » raha araka ny tatitry ny zandary eo anivon’Ambohibao. Teo am-piandrasana mpianatra hirava izy no noraisim-potsiny niaraka tamin’ireo zava-mahadomelina, izay nokasainy hamidy. Zava-dehibe ny fahatratrana mpamatsy rongony eny anivon’ny toeram-pianarana toa izao. Be loatra ireo adolantsento tafiditra lalina amin’ny rongony ary ny tena loza aza dia efa misy hatramin’ny mitsindrona ireny « rôrô » ireny koa. Mila mifanome tànana ny olona amin’ny fampandrenesana ny mpitandro ny filaminana raha vao misy tranga mampiahiahy, izany dia mba ho fiarovana ireo zaza sy ny hoaviny. Mila haverina koa ny fanentanana ireo ankizy eny an-tsekoly ny amin’ny maha-ratsy ny zava-mahadomelina, mba hahafahan’izy ireo tsy ho tafiditra mora foana amin’izany. Ny farany dia ny fanaraha-mason’ny ray aman-dreny, miainga amin’ny vatsy omena isan’andro, ny fiovan’ny toetoetry ny zaza ao an-trano ary ny namana akaiky mifanerasera amin’ny zanaka. Samy manana andraikitra avokoa ny antanan-tohatra maro raha hiady amin’ny fiparitahan’ny rongony eny an-tsekoly.
D.R