“Rehefa tsy hanaja ny asa fivelomanareo ianareo saofera dia aleo izahay no handray andraikitra hanatsahatra anareo. Rehefa tsy mandaitra intsony amin’ny sasany ny fananarana sy fanasaziana”, hoy ny zandary. Ny andron’ny alakamisy teo, mpamily fiara fitateram-bahoaka iray no voatery nosamborin’ny mpitandro filaminana, noho ny fandikan-dalana maro. Ankoatra ny fibahanana lalam-bahoaka dia mbola mamo teo am-pitondrana fiara ihany koa ingahirainy, raha ny vaovao. “Voasoroka indray ny loza…” hoy hatrany ny teo anivon’ny zandary taorian’ity vokatra ity. Voasoroka tokoa satria tsy ela akory fa vao iray andro talohan’io no nisian’ny loza naharatrana mpandeha am-polony tany ho any teny an-toerana. Taxibe nifanenjika, nandeha mafy ary nivadika nony avy eo. “Zonareo mpandeha ny miantso mpitandro filaminana rehefa mahita tranga tsy fanarahan-dalana voamarina ataon’izy ireo” raha ny fampahatsiahivana nataon’ny zandary. Fa na izany aza, tsy izany ihany koa no entina hananararaotana sy hanindriana ireny mpamily fiara fitanteram-bahoaka ireny. Satria misy dia misy tokoa ireo mpandeha sasantsany, milaza ho mahafantatra an’izatsy na izaroa ka manampatra fahefana rehefa tsy mifanaraka amin’ny sitrapony ny zava-misy. Toy ny nitranga afak’omaly tetsy Ambatomaro tanana. Lehilahy iray, efa somary mamomamo, milaza azy ho mpitandro filaminana, tsy nanao fanamiana saingy nanao survêtement miaramila misy soratra “Ensoa” no nanakana vato ny arabe, tsy handehan’ny taxibe rehetra manao zotra eny an-toerana. Nolazainy fa nalain’ny mpanampin’ny mpamily ny “porte feuille” sy ny telephone-ny. Rehefa nozohina anefa dia hadinon’ingahirainy tamin’ny mpivarotra teny an-toerana izany entana izany fa nilaozany nanenjika vehivavy. Tonga teny an-toerana mihitsy moa ny polisy nandamina ary niravona ho azy toy ny tsy nisy ny raharaha. Mety hoe samy mpitandro filaminana angamba …
m.L