Mpiambina iray teny amin’y faritra Andranoro Ambohibaoa no fantatra fa maty, nisy nanapaka ny lohany. Ny loharanom-baobao no nahalalana fa zara raha nisy hozatra kely nitazona izany tsy nampiala azy tamin’ny tendany. Ny marainan’ny alahady teo tokony ho tamin’ny 6 ora tany ho any no nahitan’ny namany an’izany. Taitra ity farany raha nahita ny olona hosoloiny, niambina toerana iray, teny amin’ny toerana voalaza etsy ambony io. Faty nitsirara sisa hitany teny an-toerana. Rà nandriaka teny amin’ny tokotany no hitany. Raha vao nahamarika izany izy dia nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana teny an-toerana. Rehefa tonga ireo zandary dia natao ny fizahana ilay olona. Tamin’ny fomba mahatsiravina no namonoana azy, hoy ireo izay nahita. Tapaka ny lohany. Tokony ho 30 taona eo ity olona novonoina ity. Trano vao amboharina no namabenany. Tsy fantatra na ireo fitaovana fanamboarana trano no nikasa hisy handroba na ahoana. Ny nahavariana ny maro dia samy nahamarika ny rehetra fa tsy nisy zavatra very tao amin’io toeran nambenana io. Maro ny resaka heno teny an-toerana ary notaterin’ny vaovao. Asa izay fahamarianany fa toa hoe nanana basy ilay mpiambina ka izany no notsiritin’ireo mpandroba. Tsy fantatra na lasany io basy io na tsia. Etsy andaniny, tsy fantatra marina koa ny tena nikapana ny tendan’ity olona ity, na valivaty na lonilony, na zavatra mifanahantsahana amin’izany. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.
r.s