- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibao : Mpianatra hita faty tao anaty rano

Ambohibao : Mpianatra hita faty tao anaty rano

Tsy misy izay tsy miresaka ity tranga ity ny mponin’Ambohibao sy ny manodidina azy, tsy milamin-tsaina koa ireo ray aman-dreny. Mahakasika ny tsy fahitàna ny zazalahy iray izay mipetraka eny an-toerana ary mianatra eny amin’ny manodidina ihany ity raharaha ity. Ny talata teo, tsy nody ilay zaza raha tokony misakafo any an-tranony isan’atoandro alohan’ny hiverenany mianatra ny tolakandro. Nanomboka teo no nikoropaka ny reniny izay nanao antso tamin’ny man odidina, ny mpiara-monina ary ny tambajotra sosialy noho ny fahaverezan’ny zanany. Tao anatin’izay dia niely faran’izay haingana ny feo ary nandeha koa ny honohono isan-karazany satria vetivety dia samy nahalala ny fisian’ny fahaverezan’ilay zaza ny rehetra avy amin’ny alàlan’ny aterineto, indrindra indrindra. Tonga hatramin’ny fisavàna ny tranon’olona iray izay monina teny an-toerana rehefa nisy ny tondro molotra sy tsaho tsaho nandeha. Ary dia tena niely faran’izay haingana tokoa ny manodidina ny zava-nitranga satria vao nisy ny famoahana sary izay tsy voatery mifandraika akory tamin’ny zava-nisy dia efa tonga ny olona ny hijery izany. Niara-tonga tamin’ny zandary izay sady nahazo alàlana avy amin’ny fampanoavana ny hisava ny trano ny olona marobe. Tao anatin ‘izay anefa dia voatery ny nandefa etona mandatsa-dranomaso satria niakatra ny feo ny amin’ny hanaovana fitsaram-bahoaka sy ny mpanakorontana izay nikasa ny handoro ny trano. Tontosa ihany ny fisavàna izay sady tsy nahitàna ilay zaza voakasika. Mbola nitohy ihany ny fanadihadiana sy ny fikarohana hatreo ary tao anaty tambajotra sosialy dia efa nihazakazaka ny toe-draharaha izay efa tonga tamin’ny savorovoro. Omaly kosa, tetsy Andranovory dia nisy nampandre ny manam-pahefana momba ny fisian’ny fatiolona iray tao anaty rano. Rehefa nohamarinin’ny mpitandro ny filaminana sy ny tompon’andraiktira dia ilay zaza izay very sy nokarohina ilay izy. Tombanan’ny manam-pahaizana amin’ny fijirihina razana ho efa efatra andro teo no nahafatasan’ilay zaza izay hita tao anaty rano. Novonoina ve ? Handrasana ny fivoaran’ny fanadihadiana..

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici