- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibao : Mpitahiry volan’ny fiangonana maty vaotifitry ny jiolahy

Ambohibao : Mpitahiry volan’ny fiangonana maty vaotifitry ny jiolahy

Ny alin’ny alahady tokony ho tany amin’ny 11 ora sy sasany, nisehoana fanafihan-jiolahy teny amin’ny faritra Ambohibao. Lehilahy iray mpitahiry volan’ny fiangonana no fantatra fa namoy ny ainy notifirin’ny mpandroba.

Tamin’io ora io, araka ny loharanom-baovao, nahare zavatra nanaitra azy avy any ivelany ny ankizy tao an-trano. Somary eny ambany toerana tsy lavitra tanimbary no misy ilay trano. Nijery teo amin’ny varavarankely izy ireo ary nahita olona tany vielany. Nilaza tamin’ny rainy ireo ankizy. Tsy nisalasala ity farany namoha ny varavarana mandeha any an-davarangana. Vao nivoha anefa izany, basy no nitsena azy. Avy hatrany dia nitaky vola ireo olon-dratsy izay voalaza fa tsy nanao sarontava. Tsy fantatra kosa anefa izay niseho fa notifirin’ireo jiolahy teo amin’ny tongony ilay tompon-trano. Rehefa izany, nalain’izy ireo ny vola izay hitany niaraka tamin’ny telefonina. Azony izany dia lasa nandeha izy ireo. Ilay naratra kosa etsy andaniny, nihavery ny rà. Nitady vonjy ireo havany nefa noho io rà betsaka very io dia tsy avotra ny ain’ilay raim-pianakaviana. Tao an-trano ihany izy dia tapitra ny ainy, araka ny loharanom-baovao teo anivon’ny fianakaviana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser