Tapaka tanteraka ny làlana omaly tokony ho tamin’ny folo ora, tetsy amin’ny fiakaran’Ambohibao raha avy aty an-drenivohitra. Kamiao lehibe nitondra labiera, mazava hoazy an’ny orinasa Star izay hany tokana mamokatra izany, no nisy olana rehefa niditra tao anaty fiolahana. Be loatra ny labiera nentiny tao aoriana (surcharge) raha araka ny tombana voalohany. Rehefa tafiditra tao anatin’ny làlana somary nivily, dia tsy zakan’ny labasy intsony ny nitaty ireo « cageot » marobe ary dia nilatsaka tamin’ny tany. Feno tavoahangy ny arabe. Nihoraka ny olona raha nahita izany. Toy ireny mana nianjera avy tany an-danitra ireny ny fahitan’ny besinimaro ny zava-nisy. Ary dia samy nandraoka izay zaka. Raikitra ny fety teo Ambohibao : na antitra na tanora dia samy nanokatra labiera ary nisotro. Ny tena nampalahelo aza, dia ny fisian’ny zazakely nisotro izany koa. Vetivety dia niely ny vaovao satria ny mpampiasa iny làlana iny dia saika naka sary ary nizara tamin’ny namany, iaraha-mahalala ihany ny hafainganan’ny tambajotra sosialy ankehitriny. Raha ny fantatra, dia kamiao hizotra ho any Mahajanga io tsy niala kilaometatra vitsy akory niala tamin’ny foiben’ny Star io, dia tra-doza. Niezaka ihany ny mpitandro ny filaminana nandrindra ny fifamoivoizana fa tsy nahasakana ny làlana tsy ho tapaka izany. Efa ny folakandro mihitsy vao niverina tamin’ny laoniny ny fifamoivoizana. Betsaka arak’izany ny nanana olana tamin’ny famonjena fotoana, ny asa ary izay mety ho antony hafa. Tao ny nidina taxi-be dia nandeha an-tongotra, tao ny tsy afa-niala satria sady tsy afa-nandroso no tsy afa-niverina fa dia nijery ny fifalian’ny sasany nigoka labiera sisa azo natao. Ny fifalian’ny sasany tokoa mety ho fahorian’ny hafa…
D.R