Efa voaongotra ny varavaran-kely sy ny « grille de protection ». Efa hitsambikina hiditra ao an-trano ireo jiolahy no nirefotra tampoka ny basy. Rifatra nitsoaka raha vao nandre izany ? satria tsy nampoizin’ireo ny zava-nitranga. Tetsy Ambohibao-Antehiroka, tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany maraina ny alatsinainy teo, no nisy ny fikasana handroba trano. Soa fa nanana fitaovam-piadiana ny tompon-trano ary efa niomana tamin’izay mety ho fiavian’ny jiolahy ka tsy resin-tory loatra. Nofahanana ny basy ary nandrasana mihitsy hiditra ao an-trano dia notifirina. In-telo nisesy ny feom-basy izay nampikoropaka tanteraka ny olon-dratsy; izay nanao izay ho afany tamin’ny fanavotana ny ainy, niala teo an-toerana avy hatrany. Niantso ny zandary ihany koa ny tompon-trano tamin’io fotoana io. Natao ny fisafoana rehetra teo amin’ny manodidina rehefa tonga ny mpitandro ny filaminana. Efa tsy hita intsony ireo jiolahy izay nanjavona tao anatin’ny haizina. Tsy nionona tamin’izany anefa, fa nanafatra ny alika mpitsongo dia teny amin’ny tobin’ny zandary eny Ivato. Natao ny fanarahan-dia ary tsikaritra fa nizotra nankeny amin’ny làlana Digue ireo jiolahy ary avy eo nidina an-tanimbary. Teo no nanomboka tsy henon’ny alika intsony ny fofony ary nijanona teo arak’izany ny fanarahana. Rehefa misy ny fanafihana tsy tontosa ohatr’izao, noho ny fananan’ny tompon-trano basy dia toa misarika ny saina ihany ny amin’ny hoe: sao dia tokony halalahana amin’izay ny fitazomana fitaovam-piadiana eto amintsika. Mazava hoazy tsy midika akory izany hoe ny olon-drehetra no afaka mitazona izany fa hamafisina kosa ny fanadihadiana ara-tsaina (enquête de moralité) ary omena alàlana izay tokony hisitraka an’izany. Any amin’ny firenena izay ambony ny tahan’ny tsy fandriampahalemana, dia efa nandala izany fanalalahana izany ny ankamaroany. Samy tompon’andraikitra amin’ny fiarovany ny tenany sy ny fananany ary ny fianakaviany mantsy amin’izay, fa tsy voatery hifampiandry sy hifanome tsiny lava. Tsy midika koa izany hoe tsy hisy asa intsony izany ny mpitandro ny filaminana, fa kosa tena fanampiana azy ireo aza amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny fanalalahana ny fitazonana fitaovam-piadiana. Mbola ho sarotra anefa ny lalan-kizorana, satria làlana marobe no mila hovaina…
D.R