Nanomboka tokoa ny fotoanan’ny orana teo an-drenivohitra andro maromaro izay. Efa nisy sahady ny lasibatra vokatr’izany. Ny talata lasa teo, ankizikely iray vao dimy taona monja no namoy ny ainy, roa hafa naratra rehefa nianjeran’ny tamboho nitondra vavahady vy teny amin’iny faritra Ambohibao iny. Araka ny fantatra dia nilalao teo akaikin’ity tamboho ity ireto ankizy ireto no nitranga ny loza. Ilay tamboho efa nangozohozo, ary mbola novontosan’ny orana rahateo. Araka ny maha ankizy azy dia ny nifaninana nandaka ilay tamboho sy vavahady no nataon’izy ireo kilalao. Noho izay zavatra izay dia tsy tana intsony ny firodanan’ity rindrina ity, izay niampy ny vesatr’ilay vavahady. Afaka nitsoaka ihany, na dia voarain’ny biriky sy ny sisa aza ny roa tamin’ireo ankizy. Ity zaza namoy ny ainy ity kosa no tsy afaka mihitsy rehefa voanfandrik’ilay rindrim-bato nitondra ilay vavahady. Tototra tao anaty vato sy « beton » tao araka izany ity farany, ary mbola nampian’ilay vavahady vy. Ireto ankizy afa-nitsoaka no niezaka niantso ny mpamonjy, saingy indrisy fa efa vatana mangatsiaka sisa no nosokirina tao anatin’ireo korontana isan-karazany. Mila fahamailona sy fitandremana tokoa amin’izao fotoan’ny orana izao. Tokony hangalàna fepetra haingana ireo trano na tamboho izay mety atorahana hirodana. Fa indrindra indrindra ny mikasika ny rano miakatra sy mihandrona rehefa fahavaratra.
m.L