- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibao : Olona folo, namono sy nandoro vazaha

Ambohibao : Olona folo, namono sy nandoro vazaha

JIOLA-(5)Mazàna dia resa-bola foana no ambadiky ny heloka bevava iray ! Habibiana tsy roa aman-tany mihitsy mantsy no nataon’ny fianakaviana iray teny amin’iny faritra Ambohibao iny, ny volana desambra lasa teo. Teratany vahiny iray no novonoin’izy ireo, ary nodorany teo an-tokotany avy eo, mba tsy hahitan’ny olona ny vatana mangatsiakany. Niisa folo ny isan’ireo olona nandray anjara tamin’ity resaka vono olona mahatsiravina ity. Ramatoa vadiny no tena atidoha nikotrika, nampian’ny sasantsany tamin’ireo fianakaviany sy mpikarama an’ady mpamono olona. Araka ny fanazavana nomen’ireo zandary nanao ny fanadihadiana, tao amin’ny Sampana heloka bevava sy fikarohana etsy Fiadanana dia, efa maty paika mihitsy ilay famonoana, mba hahazoana mora foana ny harenan’ity vazaha ity. Nanomboka tany amin’ny disadisa teo amin’izy mivady no nitsiry ny hevi-dratsin-dramatoa. Efa nanomboka « nibizina » ireo entana tao an-trano mantsy ity farany ary efa notenenin-drangahy. Mety ho noheveriny fa, raha tsy eo intsony rangahy vadiny dia tsy hisy hiteny intsony ny zavatra ataony. Tamin’izany no nandehanan’ny sainy tany amin’ny famonoana am-badiny. Tamin’ny fanadihadiana natao an’ity ramatoa ity no nahalalana fa havany teo akaiky ihany no nampitadiavany olona hamono. Telolahy efa jiolahy rain-dahiny, za-draharaha no niditra an-keriny tao an-tranony ary namono nahafaty ilay vazaha. Ny fatin’ity farany kosa tamin’izay fotoana izay dia nodorana teo an-tokotany tamin’ny alalan’ny kitay, kodiarana ary lasantsy. Fantatra fa mifandray amin’ny havany any ampitandranomasina tsy tapaka ity lehilahy ity. Gaga tamin’ny tsy fandrenesam-baovao intsony anefa izy ireo taty aoriana ka nanapa-kevitra ny hankaty Madagasikara. Rehefa voarirarira tamin’ny tsy fahitana ny havany izy ireo dia nitory, ary tamin’izay no nahavoasambotra ireo olona 10 mianadahy, voarohirohy tamin’ity resaka famonoana feno habibiana natao tamina teratany vahiny ity. Omaly ihany no natolotra ny fitsaràna izy rehetra ireo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ireo mpanao fanadihadiana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser