- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibao : Sinoa voatafika tamin’ny basy

Ambohibao : Sinoa voatafika tamin’ny basy

Efa-dahy ny tompon’antoka. Nofatorana ny mpiambina ary nidirana an-keriny tao amin’ny trano nisy ilay teratany sinoa. Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo no nitrangan’ilay fanafihana izay nahalasa ny vola mitentina 35 tapitrisa ariary tao amin’ilay Sinoa. Basy PA sy sabatra no nampiasain’ireo efa-dahy izay nanjavona tao anatin’ny haizina rehefa vita ny fandrobàna. Vao tamin’ny voalohan’ity herinandro ity koa no nisy Sinoa voaroba tao anaty fiarany tetsy Ambatobe raha handeha hamonjy fodiana. Io koa dia nitondra volabe tao anatin’ny fiarany ary azo heverina fa fantatr’ireo olon-dratsy mialoha ny fisian’izany. Narahin’ireo tamin’ny moto scooter ilay fiara ary rehefa teo amin’ny mangingina teo Ambatobe no nosakanana tampoka niaraka tamin’ny basy. Tao anatin’ny fotoana fohy dia voaroba ilay teratany sinoa ary lasa tao anatin’izany ny volabe.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici